The Levites

1. So when David was old and full of days, he made Solomon his son king over Israel.
1. David, âgé et rassasié de jours, établit Salomon, son fils, roi sur Israël.
1. Ary nony efa antitra sy voky andro Davida, dia Solomona zanany no nataony mpanjaka tamin' ny Isiraely.
2. And he gathered together all the princes of Israel, with the priests and the Levites.
2. Il assembla tous les chefs d`Israël, les sacrificateurs et les Lévites.
2. Ary novoriny ny mpanapaka ny Isiraely rehetra mbamin' ny mpisorona sy ny Levita.
3. Now the Levites were numbered from the age of thirty years and upward: and their number by their polls, man by man, was thirty and eight thousand.
3. "On fit le dénombrement des Lévites, depuis l`âge de trente ans et au-dessus; comptés par tête et par homme, ils se trouvèrent au nombre de trente-huit mille."
3. Ary nisaina ny Levita hatramin' ny telopolo taona no ho miakatra, ka valo arivo amby telo alina no isan' ny lehilahy.
4. Of which, twenty and four thousand were to set forward the work of the house of the LORD; and six thousand were officers and judges:
4. Et David dit: Qu`il y en ait vingt-quatre mille pour veiller aux offices de la maison de l`Éternel, six mille comme magistrats et juges,
4. Koa ny efatra arivo amby roa alina amin' ireo dia natao ho tonian' ny asa ao an-tranon' i Jehovah, ary ny enina arivo dia mpifehy sy mpitsara,
5. Moreover four thousand were porters; and four thousand praised the LORD with the instruments which I made, said David, to praise therewith.
5. quatre mille comme portiers, et quatre mille chargés de louer l`Éternel avec les instruments que j`ai faits pour le célébrer.
5. Ary ny efatra arivo dia mpiandry varavarana ary ny efatra arivo dia nidera an' i Jehovah tamin' ny zava-maneno namboariko hiderana, hoy Davida.
6. And David divided them into courses among the sons of Levi, namely, Gershon, Kohath, and Merari.
6. David les divisa en classes d`après les fils de Lévi, Guerschon, Kehath et Merari.
6. Ary nozarazarain' i Davida ho antoko ireo araka ny zanakalahin' i Levy, dia Gersona sy Kehata sy Merary :

Gershonites

7. Of the Gershonites were, Laadan, and Shimei.
7. Des Guerschonites: Laedan et Schimeï. -
7. Tamin' i Gersonita dia Ladana sy Simey.
8. The sons of Laadan; the chief was Jehiel, and Zetham, and Joel, three.
8. Fils de Laedan: le chef Jehiel, Zétham et Joël, trois.
8. "Ny zanakalahin' i Ladana dia Jehiela lohany sy Zetama ary Joela; telo izy."
9. The sons of Shimei; Shelomith, and Haziel, and Haran, three. These were the chief of the fathers of Laadan.
9. Fils de Schimeï: Schelomith, Haziel et Haran, trois. Ce sont là les chefs des maisons paternelles de la famille de Laedan. -
9. "Ny zanakalahin' i Simey dia Selomota sy Haziela ary Harana; telo izy. Ireo no lohany tamin' ny fianakavian' i Ladana."
10. And the sons of Shimei were, Jahath, Zina, and Jeush, and Beriah. These four were the sons of Shimei.
10. Fils de Schimeï: Jachath, Zina, Jeusch et Beria. Ce sont là les quatre fils de Schimeï.
10. "Ary ny zanakalahin' i Simey dia Jahata sy Zina sy Jeosy ary Beria; izy efa-dahy ireo no zanak' i Simey."
11. And Jahath was the chief, and Zizah the second: but Jeush and Beriah had not many sons; therefore they were in one reckoning, according to their father's house.
11. "Jachath était le chef, et Zina le second; Jeusch et Beria n`eurent pas beaucoup de fils, et ils formèrent une seule maison paternelle dans le dénombrement."
11. "Ary Jahata no lohany, ary Ziza no faharoany; fa Jeosy sy Beria tsy nanana zanakalahy maro, ka dia nisaina ho fianakaviana iray sy antokony iray izy."

Kohathites

12. The sons of Kohath; Amram, Izhar, Hebron, and Uzziel, four.
12. Fils de Kehath: Amram, Jitsehar, Hébron et Uziel, quatre. -
12. "Ny zanakalahin' i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela; efatra izy."
13. The sons of Amram; Aaron and Moses: and Aaron was separated, that he should sanctify the most holy things, he and his sons for ever, to burn incense before the LORD, to minister unto him, and to bless in his name for ever.
13. Fils d`Amram: Aaron et Moïse. Aaron fut mis à part pour être sanctifié comme très saint, lui et ses fils à perpétuité, pour offrir les parfums devant l`Éternel, pour faire son service, et pour bénir à toujours en son nom.
13. Ny zanakalahin' i Amrama dia Arona sy Mosesy. Ary Arona dia natokana mba hanamasina ny zavatra masina indrindra, dia izy sy ny taranany mandrakizay, handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan' i Jehovah sy hanao asa fanompoana ho azy ary hitsodrano amin' ny anarany mandrakizay.
14. Now concerning Moses the man of God, his sons were named of the tribe of Levi.
14. Mais les fils de Moïse, homme de Dieu, furent comptés dans la tribu de Lévi.
14. Fa ny amin' i Mosesy, lehilahin' Andriamanitra, dia nisaina tamin' ny fokon' ny Levy ihany ny zanany.
15. The sons of Moses were, Gershom, and Eliezer.
15. Fils de Moïse: Guerschom et Éliézer.
15. Ny zanakalahin' i Mosesy dia Gersona sy Eliezera.
16. Of the sons of Gershom, Shebuel was the chief.
16. Fils de Guerschom: Schebuel, le chef.
16. Tamin' ny zanakalahin' i Gersona dia Seboela no lohany.
17. And the sons of Eliezer were, Rehabiah the chief. And Eliezer had none other sons; but the sons of Rehabiah were very many.
17. "Et les fils d`Éliézer furent: Rechabia, le chef; Éliézer n`eut pas d`autre fils, mais les fils de Rechabia furent très nombreux. -"
17. "Ary tamin' ny zanakalahin' i Eliezera dia Rehabia no lohany (Eliezera anefa tsy nanan-janaka hafa); fa ny zanak' i Rehabia dia maro indrindra."
18. Of the sons of Izhar; Shelomith the chief.
18. Fils de Jitsehar: Schelomith, le chef. -
18. Tamin' ny zanakalahin' i Jizara dia Selomota no lohany.
19. Of the sons of Hebron; Jeriah the first, Amariah the second, Jahaziel the third, and Jekameam the fourth.
19. "Fils d`Hébron: Jerija, le chef; Amaria, le second; Jachaziel, le troisième; et Jekameam, le quatrième. -"
19. Ny zanakalahin' i Hebrona, dia Jeria no lahimatoa, Amaria no lahiaivo, Jahaziela no fahatelo, ary Jekameama no fahefatra.
20. Of the sons of Uzziel; Micah the first, and Jesiah the second.
20. "Fils d`Uziel: Michée, le chef; et Jischija, le second."
20. Ny zanakalahin' i Oziela, dia Mika no lahimatoa, ary Jisia no faharoa.

Merarites

21. The sons of Merari; Mahli, and Mushi. The sons of Mahli; Eleazar, and Kish.
21. Fils de Merari: Machli et Muschi. -Fils de Machli: Éléazar et Kis.
21. Ny zanakalahin' i Merary dia Maly sy Mosy. Ny zanakalahin' i Maly dia Eleazara sy Kisy.
22. And Eleazar died, and had no sons, but daughters: and their brethren the sons of Kish took them.
22. "Éléazar mourut sans avoir de fils; mais il eut des filles, que prirent pour femmes les fils de Kis, leurs frères. -"
22. "Ary maty Eleazara ka tsy nanan-janakalahy, fa vavy avokoa; ary ny zanakalahin' i Kisy havany no nanambady ireo."
23. The sons of Mushi; Mahli, and Eder, and Jeremoth, three.
23. Fils de Muschi: Machli, Éder et Jerémoth, trois.
23. "Ny zanakalahin' i Mosy dia Maly sy Edera ary Jeremota; telo izy."
24. These were the sons of Levi after the house of their fathers; even the chief of the fathers, as they were counted by number of names by their polls, that did the work for the service of the house of the LORD, from the age of twenty years and upward.
24. Ce sont là les fils de Lévi, selon leurs maisons paternelles, les chefs des maisons paternelles, d`après le dénombrement qu`on en fit en comptant les noms par tête. Ils étaient employés au service de la maison de l`Éternel, depuis l`âge de vingt ans et au-dessus.
24. Ireo no zanakalahin' i Levy araka ny fianakaviany, dia ny lohan' ny fianakaviana tamin' ny antokony avy araka ny nanisana ny anarany tsirairay, dia izay nanao ny fanompoana tao an-tranon' i Jehovah, hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra.
25. For David said, The LORD God of Israel hath given rest unto his people, that they may dwell in Jerusalem for ever:
25. "Car David dit: L`Éternel, le Dieu d`Israël, a donné du repos à son peuple, et il habitera pour toujours à Jérusalem;"
25. Fa hoy Davida: Jehovah Andriamanitry ny Isiraely no efa nanome fitsaharana ho an' ny olony mba hitoerany ao Jerosalema mandrakizay.
26. And also unto the Levites; they shall no more carry the tabernacle, nor any vessels of it for the service thereof.
26. et les Lévites n`auront plus à porter le tabernacle et tous les ustensiles pour son service.
26. Ary ny Levita kosa dia tsy hitondra ny tabernakely, na ny fanaka enti-manompo ao aminy intsony.
27. For by the last words of David the Levites were numbered from twenty years old and above:
27. Ce fut d`après les derniers ordres de David qu`eut lieu le dénombrement des fils de Lévi depuis l`âge de vingt ans et au-dessus.
27. "Fa araka ny farantenin' i Davida dia nisaina hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra ny Levita;"
28. Because their office was to wait on the sons of Aaron for the service of the house of the LORD, in the courts, and in the chambers, and in the purifying of all holy things, and the work of the service of the house of God;
28. Placés auprès des fils d`Aaron pour le service de la maison de l`Éternel, ils avaient à prendre soin des parvis et des chambres, de la purification de toutes les choses saintes, des ouvrages concernant le service de la maison de Dieu,
28. "Satria ny raharahany dia ny manampy ny taranak' i Arona amin' ny fanompoana ao an-tranon' i Jehovah, amin' ireo kianja sy ireo efitrano ary amin' ny fanadiovana ny zavatra masina rehetra sy ny asa fanompoana ao an-tranon' Andriamanitra;"
29. Both for the shewbread, and for the fine flour for meat offering, and for the unleavened cakes, and for that which is baked in the pan, and for that which is fried, and for all manner of measure and size;
29. des pains de proposition, de la fleur de farine pour les offrandes, des galettes sans levain, des gâteaux cuits sur la plaque et des gâteaux frits, de toutes les mesures de capacité et de longueur:
29. Ary ny amin' ny mofo aseho sy ny koba tsara toto ho fanatitra hohanina sy amin' ny mofo tsy misy lalivay sy amin' izay andrahoina amin' ny vilany sy izay endasina ary amin' ny karazana famarana sy fandrefesana rehetra.
30. And to stand every morning to thank and praise the LORD, and likewise at even;
30. ils avaient à se présenter chaque matin et chaque soir, afin de louer et de célébrer l`Éternel,
30. Ary ny hitsangana isa-maraina hisaotra sy hidera an' i Jehovah, ary toy izany koa amin' ny hariva,
31. And to offer all burnt sacrifices unto the LORD in the sabbaths, in the new moons, and on the set feasts, by number, according to the order commanded unto them, continually before the LORD:
31. et à offrir continuellement devant l`Éternel tous les holocaustes à l`Éternel, aux sabbats, aux nouvelles lunes et aux fêtes, selon le nombre et les usages prescrits.
31. Ary ny hanolotra ny fanatitra dorana rehetra ho an' i Jehovah amin' ny sabata, amin' ny voaloham-bolana, ary amin' ny andro firavoravoana voatendry, araka ny isany avy, araka ny baiko nandidiana azy mandrakariva eo anatrehan' i Jehovah.
32. And that they should keep the charge of the tabernacle of the congregation, and the charge of the holy place, and the charge of the sons of Aaron their brethren, in the service of the house of the LORD.
32. Ils donnaient leurs soins à la tente d`assignation, au sanctuaire, et aux fils d`Aaron, leurs frères, pour le service de la maison de l`Éternel.
32. Ary mba hitandremany ny anjara-raharaha ny amin' ny tranolay fihaonana sy ny anjara-raharaha amin' ny fitoerana masina, ary ny anjara-raharaha ny amin' ny taranak' i Arona rahalahiny amin' ny fanompoana ao an-tranon' i Jehovah.
<
>